Firaisankina (Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ny tena fitiavana, no mba hanjaka ato aminay
Ka hampitambatra anay mba ho mafy orina
Fa ny firaisankina re no hery, ary izay misaraka no fasika
Dian hatambaro izao, ny hery fampiraisana hampanjakana ny fifankatiavana

Ref : Firaisankina no hiraina, ny tanana hifandray
Mba ho sambatra tokoa izahay, mino anao ry Ray
Firaisankina no hajoro, porofo anankiray
Ny vahoaka manontolo, hitambatra ho iray

2- Rano sy vary, ka tsy mifankafohy
Tsy mifanary, toy ny mpirai-tampo
Ka na inona ary no hanjoha iray ny saina sy ny fo
Ka mifampizara, hifanome ny tsara
Hampanjakana ny fifankatiavana.

Ref : Firaisankina no hiraina, ny tanana hifandray
Mba ho sambatra tokoa izahay, mino anao ry Ray
Firaisankina no hajoro, porofo anankiray
Ny vahoaka manontolo, hitambatra ho iray

3- Fa raha sitrakao Jesoa, izao fijoroanay eto izao
Ny tananay dia hifandray ho porofo aminao
Fa izahay no fanasina ary jiro sy fanilo ho azy ireo
Tsy misalasala ho hery fampiraisana hampanjakana ny
Fifankatiavana.

Ref : Firaisankina no hiraina, ny tanana hifandray
Mba ho sambatra tokoa izahay, mino anao ry Ray
Firaisankina no hajoro, porofo anankiray
Ny vahoaka manontolo, hitambatra ho iray

Chorus : Firaisankina no hiraina
Ny tanana hifandray, hampiray izay mino anao ry Ray
Firaisankina no hajoro
Porofo anankiray, fa izahay hitambatra ho iray.

Ref : Firaisankina no hiraina, ny tanana hifandray
Mba ho sambatra tokoa izahay, mino anao ry Ray
Firaisankina no hajoro, porofo anankiray
Ny vahoaka manontolo, hitambatra ho iray.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feon'Anjomaran'ny Fanantenana(FAF)
Visites : 214
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mahx03
Date : 27/10/2025 10:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4316