RAHA TSY JEHOVAH NO MANAO NY TRANO (Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAHA TSY JEHOVAH NO MANAO NY TRANO  - FMZ

Raha tsy Jehovah no manao ny trano (Raha tsy Jehovah)
Dia miasa fona ny mpanao azy
Ny finoana tsy arahan’asa tsy mba ho vanona
Ary ho zava-poana e ; ho zava-poana ihany !

Ilaina ny mifampivavaka ry fiangonana oh
Hametrahana eo Aminy ny fikasàna rehetra
Ifanentan’ihany koa ary ifanohana
Dia hiasa miaraka ; ka iray ny tanjona ho kendrena

Mifalia sy miravoa ianao ry zanak’I Ziona oh
Fa mahagaga ; mahagaga ny fitondràny
Indro fa mirotsaka aminao ny andon’ny lanitra
Koa mahereza ; herezo re ny dia !

T&F : RAVELOSON Fenosoa
**************FMZ**************
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
Hits : 745
Likes : 0 Like
Created by : mamybernard
Date : 05/08/2020 13:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773