Tiako izy (Farakely)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa izy no eo anilako eoHitako sy reko feo,
Afaka ny ahiahy
Mahatsiaro feno tsy irery
Malalaka Aho tsy teritery,
Sahisahy! aho...
Rehefa izy no eo anilako eo
Hitako sy reko feo ,
Mitsiky Aho, finaritra Aho
Manjary mety izay ataoko
Toa lafatra Aho imasonao,
Tanteraka...!
Tiako izy, izy irery
tsisy toa azy velively
Tokako, silako!
Tiako izy , izy irery
Tsisy toa azy velively
Mameno ahy! Mameno ahy!
Tiako izy (x3)
Rehefa izy no eo anilako eo
Hitako sy reko feo,
Toa ahy izao rehetra izao!
Isaorako ianao 'Lay Avo Indrindra
Tantano ho tsara famindra
Hiankina Aminao!
Fa tiako izy, izy irery
tsisy toa azy velively
Tokako, silako!
Tiako izy , izy irery
Tsisy toa azy velively
Mameno ahy!
Ianao ilay finidy sy namana
Hizara fitia, iray ny dia
Ianao ilay ho avy sy tanana
Handray ahy doria
Tiako izy, izy irery
tsisy toa azy velively
Tokako, silako!
Tiako izy , izy irery
Tsisy toa azy velively
Mameno ahy! Mameno ahy!
Tiako izy (x3)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : FarakelyHits : 2545
Likes : 2 Like
Created by : hery
Date : 21/11/2021 18:31