Rotsirotsy (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto aho mahatsiaro
'Reo namako hatrizay
Nanohana ahy, niaro
Na inona nanjo.

Misy anao mijery
Na aiza misy ahy
Tsy mahatsiaro irery
Fa manana mpiahy.

Na ireo sedra mafy toa nandalo
Vao niantso aho dia indro ianao
Nadrotsirotsy kalokalo
Nandamina ny foko lasa vao.

Na ireo sedra mafy toa nandalo
Vao niantso aho dia indro ianao
Toa rotsirotsy kalokalo
Nandamina ny foko lasa vao.
....
Na lavitra aza indraindray
Ianao teo akaiky teo
Toa ny Reny, toa ny Ray
Reko antso, reko feo.

Ny Ray ambony hamaly fitia
Hanamafy fatotra
Hiaro hitantana ny dia
Hahasedra sarotra.

Na ireo sedra mafy toa nandalo
Vao niantso aho dia indro ianao
Nadrotsirotsy kalokalo
Nandamina ny foko lasa vao.

Na ireo sedra mafy toa nandalo
Vao niantso aho dia indro ianao
Toa rotsirotsy kalokalo
Nandamina ny foko lasa vao.
....
Oh!oh!oh! ooh!!!

Toa!! rotsirotsy kalokalo
Nandamina ny foko lasa vao
(Dia tena falifaly sy!)
Dia falifaly ravoravo
Fa manana anao ho namako aho.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Farakely
Hits : 3920
Likes : 1 Like
Created by : noordallo
Date : 24/07/2021 00:01
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744