Tsy foiko ianao (feat Laza) (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao foana no mameno ny fianako tontolo
Toa tsy misy ny fotoana tsy hanembonako anao
Na atoandro na hariva, indrindra moa fa ny alina
Feno anao ny fiainako
(Duo x2)
Embona ts mety ritra, tsy hanampahataperana
Mimpololotra tsy hay tohaina, tsy ho sakanana
Toa fitia tsy ho lefy hery, tsy hangatsika velively
Ho doria tokoa, ho lamban'akoho

Ref :
Tsy foiko ianao, ianao irery hatramin'izao
Tsy misy toa anao akia raha mbola fitia
Tokana ianao ho ahy, mandrakizay

Ny endrikao no mameno ny foko sy ny saiko
Toa tsy misy ny fotoana tsy hahatsiarovako anao
Na ny atoandro na ny hariva, na matory na mandeha
Lasanao ny foko rehetra
Embona tsy ho mety ho ritra, tsy hanampahataperana
Mipololotra tsy hay tohaina, tsy ho sakanana
Toa fitia tsy ho lefy hery, tsy hangatsiaka velively
Ho doria tokoa, ho lamban'akoho

Refrain x2

Tokana ianao ho ahy, mandrakizay

Atolotra ho an'i Mahandry sy finaritra 16/11/15
--------
Link:
Comments
fytahiantsoa.95 ( 12/04/2015 08:50)
tena tsara euh!! mankasitraka ooh
realiavohajaina ( 16/04/2015 08:52)
Mankasitraka antsika rehetra mpanaraka ny application sy ny kanto malagasy
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Farakely
Hits : 37732
Likes : 7 Like
Created by : realiavohajaina
Date : 17/11/2014 09:32
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116