Io mba ahy (Erick Manana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Io mba ahyNy angolam-peon’i Randafisaona anie
Ka miaka-sy midina
Tsy azo henoina andro harivariva re
ny fanahy no manidina
Tsara e, tsara ny hiran’ny taniko
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakaloko
Tsara e tsara ny hiran’ny taniko o
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakalo o
Io mba ahy o io mba ahy o io mba ahy o
Ka lolohaviko an-tampon’ny lohako e
Io mba ahy o, io mba ahy o, io mba ahy
Tsy ho avelako ho faty fa lovako e
Ny feom-balihan’i Rakotozafy anie
Tena mampiaiky volana e
Manakoako eran-tany eran-danitra e
Izay mandre azy torana e
(Miverina in-2)
Tsara e, tsara ny hiran’ny taniko
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakaloko
Tsara e tsara ny hiran’ny taniko o
Tiako o, tiako loatra ka tsy mba hatakalo o
Io mba ahy o io mba ahy o io mba ahy o
Ka lolohaviko an-tampon’ny lohako e
Io mba ahy o, io mba ahy o, io mba ahy
Tsy ho avelako ho faty fa lovako e
Erick Manana
Avy tamin’i Sahoby
Tao amin’ny http://groups.yahoo.com/group/serasera
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Erick MananaHits : 3509
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 24/10/2001 06:10