Mpandresy (Chorale Sedera Ambalavato)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iray isika rehetra izao
Mitovy fa tsy misy ambany
Mideza ny lalana
Kanefa tsy ho kivy
Andao hiroso hatrany

Mpandresy isika rehetra izao,
Na maro ny sakana
Raha lavo aho
Eo Ianao handray ahy
Raha ory ianao,
Dia eo foana Aho
Mpandresy isika rehetra izao,
Ny Tompo no mialoha anao
Tsisy raha tsy hainao atao
miaraka amin'ny Ray

2/Tsy mora no nodiavina
Raha ny ho avy tsy fantatra
Mahatoky anefa izao
Dia ilay nanefa ny voadiny aminao

Mpandresy isika rehetra izao,
Na maro ny sakana
Raha lavo aho
Eo Ianao handray ahy
Raha ory ianao,
Dia eo foana Aho
Mpandresy isika rehetra izao,
Ny Tompo no mialoha anao
Tsisy raha tsy hainao atao
miaraka amin'ny Ray

Raha sendra lavo aza ianao
Izao no ataovy ao antsainao
'Lay teny hoe :
Izaho tsy hahafoy anao
Koa matokia, aza miherika intsony
ie! ie!

A/C: Rina Rnt
(c): Chorale Sedera Ambalavato
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Sedera Ambalavato
Hits : 18
Likes : 0 Like
Created by : SederaAmbalavato
Date : 21/05/2026 11:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.031