Miandry anao (Chorale Sedera Ambalavato)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miandry anao, foana anie Jeso
Miantso anao, hiverina aminy
Namako ô ô ô, aza ela ianao
Ndao hiaraka aminay, hitambatra isika
Hanandratra, hanao 'zao hira izao

Tsara ny Tompo, tsara ny Tompo
Omaly anio, sy ho mandrakizay
Tsara ny Tompo, tsara ny Tompo
Omaly anio, tsy miova anie Jeso

Ahiahy sy ny tahotra
Ialao, ario alavitra
Namako ô ô ô, tapao ny hevitrao
Ndao hiaraka aminay, hitambatra isika
Hanandratra, hanao 'zao hira izao

Tia anao Jesô, tia anao Jesô
Fitiavana, tsy manam-paharoa
Tia anao Jesô, tia anao Jesô
Miandry anao, hatrany anie Jesô

Ny talenta, ao anatinao
Hiderao an'Andriamanitra
Fo sy saina amam-panahy, omeo an'i Jesö
Ny androm-piainanao rehetra, omeo azy avokoa fa
lazaiko anao, fa miandry anao izy

ia anao Jesô, tia anao Jesô
Fitiavana, tsy manam-paharoa
Tia anao Jesô, tia anao Jesô
Miandry anao, hatrany anie Jesô
A/C Hervé Rafanomezantsoa (c) Rina Rnt
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Sedera Ambalavato
Hits : 1447
Likes : 1 Like
Created by : RinaRnt
Date : 10/03/2018 10:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745