Lovasoa (Chorale Sedera Ambalavato)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Efa mba noraisinao ve?
Andriamanitra nitia anao
Ny fonao atolory azy
Fa izy hanadio anao

- Ny Tompo no mampanantena
Fiainana tsy manam-petra
Tsy vidiana n(a)' atakalo
Lovasoa, izay miandry anao

Ref:
- Fa sambatra sy tretrika
Ny manao an'Andriamanitra ho
Ampinga fiarovan-tena
Satria tsisy fitaka aminy

- Ambarao, 'zay tena hevitrao
Fa sasa-miandry anao, hatramin'ny elabe
Atolory azy ny fonao, fa ny Tompo hanadio anao

2- Efa mba anananao ve
"zany fiadanan'ny fanahy
Atolotr'I Jesô anao, fa fitiavan-dehibe
Harena sarobidy indrindra
Omena fa tsy ho vidiana
Fiainan-tsambatra sy vao
Lovasoa, izay miandry anao
Refrain.....
T/F: Eden RAKOTOASIMBOLA (c) Rina Rnt
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Sedera Ambalavato
Hits : 192
Likes : 1 Like
Created by : todinirinaelie
Date : 06/10/2023 14:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718