Famonjena ho ahy (Chorale Sedera Ambalavato)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa injay aho mandinika
Ny andro lasa izay
Tsapako ny geja izay
Nanavesatra ny fo
Miboiboika tsy miato
Mamitaka ny fo
Soa ihany fa teo Ianao
Mpanafaka ahy tokoa

Mpanjakanay, mihazona
izao rehetra Ianao
Mpampahery ahy
'Lay mpanome fiainana vaovao
Ry Mpiaro ahy,
fiarovako anio sy mandrakizay
Ianao
Mpamonjiko eo aminao
no mahatsara ahy

Manontany tena aho
Iza no hamonjy ahy?
Ny ota tsy hay lazaina intsony
Feno aizina tokoa
Mibitsika ao antsofiko ao
Faharesena, ady koa
Tsisy famonjena ho ahy e!
Raha tsy Ianao ry Tompoko

Mpanjakanay, mihazona
izao rehetra Ianao
Mpampahery ahy
'Lay mpanome fiainana vaovao
Ry Mpiaro ahy,
fiarovako anio sy mandrakizay Ianao
Mpamonjiko eo aminao
no mahatsara ahy

Mpamonjiko eo aminao
no mahatsara ahy

A/C: Rina Rnt
(c): Chorale Sedera Ambalavato
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Sedera Ambalavato
Hits : 12
Likes : 0 Like
Created by : SederaAmbalavato
Date : 21/05/2026 11:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0324