TSISY HAMPATAHOTRA (BIDA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                      
  1.       Mihazakazaka mizotra ho any an-danitra
             Iny sambokely atopan-drivotra iny mampahory
             Miroso hatrany hatrany, mamaky ity onjan-tany
             Na sarotra aza no hizorany

Fiv: Tsisy hampatahotra ahy, raha mbola Jesoa Kristy no
Mpiaro sy mpitantana, hifikiran’ny Fanahiko
No hanolorako ny tenako, ao Aminao no misy soa

2.      Feno fandrika mamingana ahy, ny manodidina
             Manintona mamelana ny zava-boary, ny fahavalonay
             F ‘izao no sitrakao, mino sy mahatoky Anao
             Mba hanjakan’ny fahasoavanao

Fiv: Tsisy hampatahotra ahy, raha mbola Jesoa Kristy no
Mpiaro sy mpitantana, hifikiran’ny Fanahiko
No hanolorako ny tenako, ao Aminao no misy soa

Faly aho manana Anao
Ianao irery no tiko ho ahy
Matoky Anao aho ô! Ry Jesoa
Ao aminao no misy soa (3)

BIDA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : BIDA
Hits : 1107
Likes : 0 Like
Created by : b200677
Date : 24/01/2018 14:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747