Zoky Tia (Asafa KTLM Benivary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mba mahagaga loatra anie isika olona ety
Dia tsy hay hoe ahoana fa tsy mba mahatoky
Nahoana no tsy mahatoky ilay Tompo Tia, hiahy ny dia
Ilay Tompo Toa Mpiaro no sady Zoky
Na maro aza manko ireo fahotana vita tety
Tsy ho avy hiantso an'ireo marina Ilay Mpamonjy
F'isika mpanota mihintsy no antsoiny mba hiara-dia
Hiara-dia am'ilay Zoky be Fitia

Zoky Jesosy no efa mampanantena anao
Hoe ento aty ny enta-mavesatrao
Fa Izy Tompo no efa hanome fitsaharana
Tolory Azy avokoa ireo rehetra olanao
Fa......

Sambatra loatra anie raha isika izao satria
Manana an'Ilay Zoky izay tena tia

2- Fa mihamaro ary mitombo isa ihany koa
Ireo karazam-pisikidy ary koa mpanandro
Miezaka ny misarika ireo mpanompon'i Jesoa
Mba sanatriavo raha ianao koa
No andeha ka hidodododo andeha ho any satria
Mihevitra fa ireny dia ahavonjy
Izay tapa-kazo ve no asolo an'i Jesosy
Ho heloka fa hifony amin'ny Mpamonjy

Dia mbola Izy koa no manambitamby anao
Mbola ho avelany anie ireo otanao
Raha mibebaka ianao ka miaiky ny helokao
Ho dioviNy avokoa ireo rehetra otanao
Fa......

Sambatra loatra anie raha isika izao satria
Manana an'Ilay Zoky izay tena tia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafa KTLM Benivary
Vangy : 208
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : SainaRH
Daty : 22/06/2025 08:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0269