'Ndeha (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faingàna faingàna ry namako izany ô
Fa androany isika hidera an'i Jesoa
(Choeur) Ndeha re hidera, ndeha re namako ô
Ndeha re ataontsika manako manako ny hosana sy haleloia e
(Choeur) Hosana hosana, hosana haleloia
Ka ndeha ary isika manomboka androany e
Ndeha hidera Ilay Mpamonjy oa
(Choeur) Ndeha re hidera, ndeha re namako ô
Ka hisantatra sahady dieny ny ety an-tany ilay fiainana any ambony e
(Choeur) Hosana hosana, hosana haleloia

Faingàna faingàna...

Refrain :
Ka ndeha re
Hidera an'Andriamanitra
Ka ndeha re
Atao manaka-danitra
Ka ndeha re
Hiombom-peo amin'ireo Masina
Ka ndeha re
Hihira manao hoe

Refrain...

Masina masina ny Anaranao ry Andriamanitra Ray ao ambony ao
Be voninahitra Ianao ka mendrika hanjàka amin'izao tontolo izao
Masina e
Derainay ny Anaranao Jesoa
Tompo lehibe
Derainay ny Anaranao Jesoa
Tena masina e yeee
Derainay ny Anaranao Jesoa
Ouh deraina e
Derainay ny Anaranao Jesoa

Feon-kira...

Refrain... (*2)

Masina masina... (*2)

Ehaaa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1631