Fa tsara ny mihira (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
Tena mamiko indrindra
ka nasiko mozika ann
Ny hira fiderana ho fankalazana
Eny mendrika azy izany
ka tiako raha hitohy hatrany o! o!

'Ndao hiaraka isika, hiaraka hankalaza
'Ndao hiaraka hanandratra avo ny antsa
Mba ho fiderana (Azy fa)
Izy no mahagaga, Ilay Mpanolontsaina
Andriamanitra MAHERY ny Tompontsika
ka andeha re deraina

1. Endrey ireo fahasoavana tsy voatanisa narotsany ho antsika e!
(Beso) He tsara e, he tsara ny narotsany hoantsika leretsy ka  
Eh koa ny fitiavany toa loharano izay tsy mety ritra e!
(Beso) Tsara e, ô tsara ny fitiavany
(Ankalazao fa)
Mendrika ny omem-boninahitra
Izao Tompontsika izao,
sa ahoana hoy ianao?
Tsy hita lany raha ny fahalalany ka mahasondrina e!
(Beso) Mahagaga e, mahagaga ny fahalalan'Izy Tompo ka
Izay noharian'ny tanany tsara sy kanto ary tena mirindra e
(Beso) Tsara e, ô tsara mirindra ery
(Ankalazao)
'Ndeha ary isika ireto mba hiaraka
raha toa ka sitrakao,
hirahira no atao fa.....

Refrain :
Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
Tena mamiko indrindra
Ka nasiko mozika ann
Izy no mahagaga, Ilay Manolontsaina
Andriamanitra MAHERY ny Tompontsika
ka andeha re deraina

2. Manombok'izao ary isika sy ianao dia hiaraka hamindra e
(Beso) He tsara e, he tsara raha toa izao sy ianao no miara-dia amin'ny tsara e, ka hiaraka hoany am-paradisa
Hifampitantana hizotra makany amin'ilay paradisa e
(Hankalaza Azy)
Hiaraka hanome voninahitra
Iray Ray ao ambony ao,
sa ahoana hoy ianao?
Ny ety an-tany dia làlana ihany
fa aza variana eo!
(Beso) Na izany e! na izany aza, dia tandremo tsy ho variana fa aoka
Aok'isika ho tsara sy marina hatrany amin'ny fomba famindra eto!
(Beso) Ho tsara e, ho tsara! ny fomba famindra

(Hankalaza Azy)
ho mendrika ny Anarany Masina
ka na izaho na ianao,
hiara-hanao izao hira izao fa......

Refrain...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray)
Hits : 178
Likes : 0 Like
Created by : joantsa
Date : 12/08/2025 12:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0758