Ny antony hitiavako (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo lehilahy : Tsy hoe ny hahazo fitahiana sesilany
No antony hitiavako Anao Kristy ô
Tsy hoe ny zava-tsoa ihany
Fa ao koa ireo tomany indraindray
Izay hitondranao ahy
Solo vehivavy :
Satria 'zaho mino (satria zaho mino)
F'Ianao no efa mitsinjo ny momba ahy (fa mitsinjo ahy)
Voalamina avokoa (Duo)
Zay no hitokiako (zay no hitokianay)
Sy hanambarako indray
Fa tiako Ianao Ray (tiako Ianao)
Satria tia ahy taloha (ouhhhh)
Solo lehilahy :
Tsy hoe taitaitra aho
Na haitraitrako ihany izany
Fa fitia lalim-paka voatokana ho Anao
Io ilay fitia avy ao anaty
Miboiboika tsy ho tanty
Ka izay no hanambarako izany
Anio Raiko malala ô
Anio no hilazako Aminao indray
Ilay ventso ato am-po
Izay no fifaliako
Sy hanambarako indray
Fa tiako Ianao Ray
Satria tia ahy taloha
Refrain :
Tsy toy ireo zavatra mandalo
Tahak'izay hita eto an-tany
F'ataoko voady mandra-maty
Raha mbola ao koa ireo tsiaro
Solo vehivavy :
Ny hany ilay Hazo Fijaliana
Nisoloinao voina ahy
Ka izany indrindra e
No hitiavako Anao (Choeur)
Refrain...
Hany...
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray)Hits : 117
Likes : 0 Like
Created by : joantsa
Date : 12/08/2025 02:33
