Torio amim-paharetana (APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: Mitoria ny teny mahareta amin'izany
       Na amin'ny finoana na tsy amin'ny finoana
       Mitoria ny teny
       Mahaliana amin'ny zava-drehetra
       Mihareta amin'ny fahoriana e!

Soa ihany fa tonga namonjy ny Tompo
Nankahery fo ahy
Nanafaka amin'ny asa ratsy
Nampianatra ny olona izy
Misaotra azy aho

Be ireo adin-tsaina manko
Mahafinaritra ara-nofo
Nandeferany avokoa
Niaretana niambohona e
Fa mamy noho ireo ny Tompo
Misaotra azy aho

Ny ray sy ny reny, hava-maro
Tsy hadinoina sombin'aina
Rahalahy sy anabavy
Tapaka sy hava-tiana
Nariana avokoa
Fa soa ny fiarahana amin'ny Tompo e!
Misaotra azy aho
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1785