Ankino (APAL EKAR BEMASOANDRO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1_  Hoy angamba ianao hoe:"Nahoana?"
No mijaly toy izao aho
Fa Jesoa nijaly toy izao
Nahafoy ny ainy ho anao
Ka na mafy aza ny fijaliana
Matokia ny Tompo hatrany
Tsy misy izay tsy hainy atao
Raha matoky azy ianao


Ref: Aza ny tena (sy) ny herinao
No enti-miady
Maro ny ratsy eto an-tany
Mila antsiika miambina hatrany
Aza manjeny ny andro lava
Fa...
Sao variana ianao
Manam-petra izaho sy ianao
Omeo azy ny fonao

2_  Ny olana izay saro-bahana
Sy tsy zakanao irery
Ankino aminy 'zay rehetra atao
Ho maivana ny fonao
Ranomaso hody hafaliana
Rehefa ao aminao
Jesoa tompo no naneho izany
Maty izy nitsangana avy eo

Ref: Aza ny tena......
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : APAL EKAR BEMASOANDRO
Hits : 669
Likes : 0 Like
Created by : Sandratra_Niaina004
Date : 28/05/2022 22:46
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2709