AMPIANARO (APAL EKAR BEMASOANDRO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahoana loatra angaha no dia toy izao zahay
Efa tafahoatra loatra izao mahazo anay izao
Aiza izao ilay hoe « Momba anao foana aho »
Aiza ihany koa izay hoe « Tsy mba hanary anao aho ?»,
Mbola ao ihany ve izay Ray izay ?
Sa izaho mihitsy no tsy mba jineriny ?

Tompo o inona no avaliko ?
Moa ve diso aho raha tsy hamaly an’izany ?
Fantatro fa làlana anefenao anay izao
Nefa ataoko ahoana ny ho filàza hoe
« Mbola hiseho ny voninahitr’Andriamanitra »
Ampianaro ahy ny ahay hampita ny hevitrao.

Impiry impiry izay niandry valim-bavaka
Nefa mba impiry koa namaly ny antsony ianao ?
Tsy indray tsy indroa f’efa hatramizay,
Eny hatramin’ny anio koa, mbola mamerina indray :
« Akekezo ahy kely moa ny fonao
Vohay mba hidirako ary honenako »

Tompo o nahoana no hoe ny hafa izay
Tsy niangavy no miaina am-pifaliana,
Tonga mpialona mihitsy aho mahita izany (ny fiadanany)
Dia solafaka aho fa Izaho ilay zanakao indray
No miafy no sady koa mangahiahy
Fantatro ihany anefa fa hadisoako izany

Tompo o velomy ao anatiko ao
Ny finoana Anao : Anekeko Anao fa
Ianao aza niaritra ny tena mafy indrindra mba
Ho tonga Avotra ho anay sy ho famonjena anay,
Ka na mafy sy mila tsy ho zaka aza indraindray,
Ampianaro ahy ny ahay hanantena Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APAL EKAR BEMASOANDRO
Vangy : 63
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : APAL
Daty : 01/08/2024 13:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811