Miantso ny Tompo (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miantso ny Tompo, miantso anao izao
Sao dia variana, sao dia sondriana ety
Fa kely sisa ny andronao ety
Ry mpivahiny trotraky ny dia.

__________Refrain__________
Fa Jesoa Tomponao, mbola miantso izao
Aza sondriana ety
Variana milalao, toa sondrian-tory ianao
Eto amin'izao fiainana eto izao
'Zay hevitrao tapaho, ho aiza sa ho aiza ianao
Miantso anao Jeso
Safidy iray madio, no raisonao anio,
Sao very ianao ka tsy ho todisoa ny dia


Miantso ny Tompo izao dieny izao
Aza mangataka andro intsony ianao
Ny ampitso lava, ny andraso andraso io,
Ry mpivahiny o! Faingano re ny dia!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Hits : 153
Likes : 1 Like
Created by : MandakelySTK
Date : 05/07/2025 07:56
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0713