O! AVIA MODIA (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nahalala ny fitiavanao aho
reko hatrany ny feonao
tsy nahafoy fa mibitsika sy manoro hatrany
ny lalan- tsara azo aleha

Nefa anie tsy izany no nasetriko anao
fa nivily aho ka tsy nanoa
izay sitrapoko sy izay fahalalako
izany foana nanadinoako ny hirakao

Fitiavanao avokoa izao,
zao rehetra miseho izao
natsotranao ny tananao,
handray ny tanako Jesoa,
hoy ianao "O AVIA MODIA"

Tsy mety mangina fa miteny hatrany ianao
miala nenina ny amiko
ny hiverenako indray ,tsy terena
fa an-tsitrapo,ny ho mpiara dalana aminao

nefa anie tsy izany no nasetriko anao
fa nivily aho ka tsy nanoa
izay sitram-poko sy izay fahalalako
izany foana nanadinoako ny hirakao

Fitiavanao avokoa izao,
efa very aho notadiavinao
nasehonao izay tena fara fitiavanao Jesoa,
hoy ianao " AMPY IZAY MODIA''
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1281
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsakarmela
Daty : 28/01/2017 09:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757