Satriko (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonony sy Feony : Sedera Andriamampionona

Satriko Jeso isan’andro
Ny hiankina an-tratranao
F’eo no misy fitsaharana
Sy ny fiadanam-po.

Ianao Jeso, masoandro
Hazavana tsy mba mandao,
Toky azo ifaharana
Amin’ny zava-manjo.

Fikiro aho mba tsy handao Anao.
Hazony aho, amin’ilay fitiavanao.
Fa satriko ho sakaizanao,
Sakaizanao am-po.

O o o o!
O o o o o o!
O o o o!

Satriko Jeso isan’andro
(mmh mmh mmh mmh)
Ny hiankina an-tratranao
(ah ah ah ah)
F’eo no misy fitsaharana
(Eo aminao)
Sy ny fiadanam-po
(Fiadanam-po).

Fikiro aho mba tsy handao
Anao Hazony aho (Hazony) amin’ilay fitiavanao
Fa satriko ho sakaizanao,
Sakaizanao am-po.

Fikiro aho (fikiro aho) mba tsy handao anao (tsy handao).
Hazony aho (Hazony aho) amin’ilay fitiavanao.
Fa satriko ho sakaizanao, Sakaizanao am-po.
Fa satriko ho sakaizanao, Ho tia Anao tokoa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Hits : 19
Likes : 0 Like
Created by : nomenaadrien
Date : 31/03/2026 07:00
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0407