Etsy ange (AMAM - Andrainarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Etsy ho lazaiko anao
Jesoa kristy no tiako ambara
Izy ilay tsy izay miova omaly sy anio
Sy ho mandrakizay, zao no tadidio
Lalana izoranao no ahitsio
Zay manimba ny finoana akifio
F'izy ilay mpanjaka hatramin'ny taloha
Be voninahitra an-tampin-doha
ka ekeo e!

Ra mbola ho tohizana dia izao
Ny Herin'ny finoana no mahavonjy anao
fa ny saina sy hery 'zany tsy makaiza
'Lay fanahy masina no aoka hitaiza
Izay no lala-tokana efa azo antoka
hanamboatra nefa simba sy voarava
Izay mitolefika dia mitraka
Mijoroa hatrany ho tena lehilahy
Ka ekeo e!

Izy tsy mandao fa mandondona am-po e!
Ka ampandrosoy raha vonona havako ô
Andeha re hibebaka tsy ho kivy tsy ho reraka
Jeso no hanarina , Hitondra ny marina

Izy 'lay Jesoa izay mampahery antsika e!
Miaro an-tsika hatrany mba ho tafita
Andeha re hivavaka, hanolotra ny tena, ho vavolombelona
Jesoa no ekena
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMAM - Andrainarivo
Hits : 1476
Likes : 0 Like
Created by : Jockl
Date : 28/01/2020 19:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0757