Ny eto an-tany (AMAM - Andrainarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mbola eto an-tany e!
Izaho sy ianao 'zao no fiainana eto
Mandalo tomany e!
Fifaliana tsy maintsy misento
Na hianavaratra, hiankandrefana na hianatsimo
Ny fihavanana tandrovy ka aza adino

Satria mantsy re io fitiavana io no lehibe indrindra ô ô
Manarak'izany ny finoana tsy adino, ny fanantenana ô
Fa raha ireo telo ireo hoe no mitoetra, dia izao no tsarovy
Ho tratra ny tanjona any paradisa
Any isika no mody

Ny lalana lalovanao mandalo fitsapana ô ô
Tsy maintsy ho sedraina e! e!
Na aiza no mitoetra, mialoha ny rehetra
Baiboly aloha lanjaina ô ô
Fa ao no tena fiainana, hanafaka taraina
Ampiaro dia aelezo e! e! e!
Meteza ianao ho lonaka hanirin'izay voa
Ampisy voka-tsoa

Raha toa ianao ka kivy aza miandriandry ô ô
Miantsoa ny Tompo hatrany e! e! e!
Ny ampitso sy ny androany, dia efa hain'izany
Na tsisy aza am-bilany ô ô
Raha misy fifandirana, aza miandry hifaninana
Fa mandefera ihany e! e! e!
Na koa hiseo ho lany eo
Ny fitiavan-tena, Asio fanetre-tena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAM - Andrainarivo
Vangy : 149
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AMAM
Daty : 19/08/2025 07:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0764