Mifankatia Ianareo (AAF - Akon'anjomara Famonjena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Be ny fahorina, be ny fijaliana
Nefa tsy mba sitrak'Izy Ray
Be ny fialonana, be ny famonoana
Nefa tsy mba sitrak'Izy Ray

Be ny hadalana, be ny fankahalana
Nefa tsy mba sitrak'Izy Ray
Be ny fampijaliana, be ny fisolokiana
Nefa tsy mba sitrak'Izy Ray

Ka ity hira ity no atao
Hampita hafatr'ho anao

Mifankatiava ianareo
Raha mbola miain'ety
Fa Jesoa Tompo nanafatra mafy
Ny mba hifankatiavanareo

Mifankatiava ianareo
Raha mbola velon'ety
Fa Jeso Tompo tsy mandao
N'aiza n'aiza misy Anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AAF - Akon'anjomara Famonjena
Hits : 9
Likes : 0 Like
Created by : sedson4
Date : 09/04/2026 11:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0512