Voavonjy aho (A3F)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Nandao Anao aho ry Ray malalako
Nihevi-tena f'efa mahavita tena
Nanandrana izay rehetra hitako, niliba, nirevy koa
Nankafy ny ratsy indrindra tsy mahasoa

Nandao Anao aho ry Ray malalako
Nihevi-tena f'efa mahavita tena
Nanandrana izay rehetra hitako, niliba, nirevy koa
Nankafy ny ratsy indrindra tsy mahasoa

Very anie aho e! Satria lavitra Anao
Very anie aho e! Fa niala taminao
Tena tsy hitako intsony hoe aiza no aleha?
Fa very anie aho, ry Jesosy ô!

2.Ankehitriny aho efa mahiratra
Hitako izao ‘Lay làla-marina
Hizorana ho any amin’ny Ray, ‘Lay fiainana mandrakizay
Dia tsy iza izany fa Ianao Jeso tia

Ankehitriny aho efa mahiratra
Hitako izao ‘Lay làla-marina
Hizorana ho any amin’ny Ray, ‘Lay fiainana mandrakizay
Dia tsy iza izany fa Ianao Jeso
Nanaiky ho faty hisolo anay
Nitsangana ho famonjena koa
‘Zay mino Anao dia hilaza hoe:

Voavonjy aho e! Satria efa navotanao
Voavonjy aho e! Fa efa ao Aminao
Fiainan-tsambatra tokoa no omaninao ho ahy
Voavonjy aho e! Nohon’ny famindram-ponao

Voavonjy aho e! Satria efa navotanao
Voavonjy aho e! Fa efa ao Aminao
Fiainan-tsambatra tokoa no omaninao ho ahy
Voavonjy aho e! Ry Jesosy ô!

Voavonjy aho (x7)
(Voavonjy aho Jesosy ô,
Ou ouou
Novonjenao aho, ka afaka
Eny voavonjy aho)

A/C: Fanasina A3F (2016)
2021
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : A3F
Hits : 117
Likes : 0 Like
Created by : fansDiez
Date : 07/06/2024 09:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078