Fanomezana Sarobidy (A3F)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noenjehina ny Tompo hatramin'izay
Nefa tsy namaly aza Izy
Nalatsa-drà tety ambonin'ny tany
Mba ho Famonjena ahy sy ianao
Mbola hisalasala ve ianao
Handray 'zany famonjena lafo izany
Fa raha 'zaho teo amin'ny toeranao
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Hey yeah!
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Fa raha te-hovonjena ianao
Ekeo 'lay avotra ho anao

F'izaho no nanota fa tsy Ianao ry Jeso
Nefa Ianao nanaiky hisolo voina ahy
Tena mafy ny ady izay natrehinao
Ny fahoriana nianjady Taminao

Tsy sahiko natrehina (Hey)
Tsy sahiko natrehina (Jeso ô)
Tsy sahiko natrehina (fahorianao)
Tsy sahiko natrehina

Ka dieny izao mifona Aminao aho
Inty ny foko onenonao
Feno loto re mba sasao
Ho toy ny Anao

Tsy sahiko natrehina (Yeah i)
Tsy sahiko natrehina (Ou ou ou ou)
Tsy sahiko natrehina ('lay fijalianao)
Tsy sahiko natrehina

Fa raha 'zaho teo amin'ny toeranao
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Hey yeah!
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Hey yeah!
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Fa raha te-hovonjena ianao
Ekeo 'lay avotra ho anao

F'izaho no nanota fa tsy Ianao ry Jeso
Nefa Ianao nanaiky hisolo voina ahy
Tena mafy ny ady izay natrehinao
Ny fahoriana nianjady Taminao

Tsy sahiko natrehina ('reo fahoriana izay nahazo Anao)
Tsy sahiko natrehina (Oh oh)
Tsy sahiko natrehina ('reo fijaliana nianjady Taminao)
Tsy sahiko natrehina

Tsy sahiko natrehina (Jeso! 'reo fahoriana izay nahazo Anao)
Tsy sahiko natrehina (Inty aho handray Anao)
Tsy sahiko natrehina (Ou ououououou)
Tsy sahiko natrehina

Eny tokoa ry Tompo!
Tsy sahinay natrehina 'lay fahoriana izay nahazo Anao
Nohon'ny fahotako ihany anefa no nahatonga izany
Fanomezana sarobidy tokoa 'lay famonjena 'zay natolotrao
Koa ankehitriny Ray ô!
Indro ny foko atolotro Anao na dia tsy mendrika aza
Ô! Mba raiso 'zany ka anjakao
Misaotra Tompo ô!
Amen.

A/C: IndraFe
Arr: RALAINIRINA Valitera Edmond
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A3F
Vangy : 1352
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 23/04/2019 16:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2927