FANIRIAKO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny androm-piainanao dia ho tsinontsinona
Raha tsy tantanan’i Jesoa be fitiavana
Ny eo akaikiny no mahatsara antsika
Atolory azy ny fiainanao

Hanara-dia Anao Jesoa no hany faniriko izao
Tsy hisaraka Aminao fa hitoetra eo ambany elatrao Ray o
Hifikitra Aminao, hanao izay sitrakao
Hanompo Anao Jesoa
Amin’izay fotoana izay
Hitambatra ho iray
Amin'ireo mino Anao

Ny fiadanany atolony anao izao
Ny tana-maheriny hamonjy anao
Finoana ihany no antok’izao
Miorena tsara, Jesoa tia anao

Jean Fils RAKOTOMALALA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0394