Afobe (RAH-CKIKY)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : RAH-CKIKY
Mpamaky : 844
Nampidirin'i : blahblah
Tamin'ny : 05/11/2010 22:03:24
ID : 5946

Imprimer Facebook Facebook
Ity indry mijangajanga io
Mirevirevy milangilangy io
Fa ity no aza adino fa
Na indry na izaho
Ho alaina, ho tsaraina!
Nefa io ilay ota e!(*2)
Io àry ilay ota e! (*2)

Jejo io milanja orona io
Mirevirevy miavinavina io
Fa revy ratsy ve hitondra anao aiza e!?
Fa vao mainka io makany @ afobe
Mamay be!
Fa nefa io ilay ota e!(*2)
Io àry ilay ota e! (*2)
Ref: Fa sambatra kokoa ny manome
        Noho ny tolorana e! (hody izy e)
        Fa mamay (be) ny afobe
        Raha tanin-dio, hono ka torana e!


Io ilay miangonangona io
Milaza hoe efa  masimasina io!
Fa n’inona manjo na mahavaky loha
Na mahavaky fo, aza adino moa
Aza adino moa
Fa Zanahary an-tampon-doha
Fa Izy anie ilay mialoha
Fa efa io ilay ota e!
Io àry ilay ota e!

Lavalava tsolotsolotra io
Tsy misy bizina any fa madio
Ny zava-bitanao rehetra ety
No ho entinao any na tsara izy ireo na ratsy
Ho afo be mamay io!!
Fa efa io ilay ota e!
Io àry ilay ota e!

Ref: Fa sambatra kokoa ny manome
        Noho ny mandray e! (hody izy e) (fa sambatra (hoa) ny manome no mandray (tolorana e!))
        Fa mamay be ny afobe
        Raha tanin-dio, hono ka torana e!

Io ‘lay ota e! Io ‘lay ota e!
Io ‘lay ota e! Io ‘lay ota e!



Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo