Ry Jehovah Ray Tsitoha (Rasoanaivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Jehovah, Ray Tsitoha !Mba avia hialoha
Sy hiaro ny mpandeha ;
Lavi-dalana haleha,
Mba jereo ny olonao ;
Sarak'olona, irery,
Sady tsy mba manan-kery,
Ka jereo, ry Tomponay !(in-2)
Mba tantano ny mpandeha (in-3)
Hianao no herinay.
Raha ory, mba tohano,
Ka vimbino sy tantano
Tsy ho reraka ny fony,
Aza afoy, fa mba hazòny,
Iantrao ny olonao ;
Raha mahantra izy any,
Ory sady mitomany,
Mba vangio,ry Tomponay !(in-2)
Mba tandrovy ny mpandeha (in-3)
Hianao no tokinay.
Nataon-dRajaonary
Mozikan-dRasoanaivo
(Tohiny tsy nohiraina)
Ao ny andro mamanala,
Sakambino ao an'ala ;
Raha mandeha mita rano,
Mba hazòny sy tantano,
Ka vonjeo ny olonao ;
Be ny zavatra mihatra
Izay manimba sy mandratra,
Ka vonjeo, ry Tomponay (in-2)!
Mba arovy ny mpandeha (in-3)
Hianao no aronay.
--------
Rohy:
Hevitra
Kotsur
(
07/06/2026 16:55)
Charles Rasoanaivo (1876-1966) dia mpamoron-kira, mpitendry, mpitendry ôrga, ary mpanabe mozika malagasy tamin'ny taonjato faha-20. Nandray anjara lehibe tamin’ny fandrafetana sy fampitana ny mozika amponga sy litorjika teto Madagasikara izy.
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RasoanaivoVangy : 18
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 07/06/2026 14:18
