O! Miaingà izao, ry miaramila soa (Rasoanaivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O! Miaingà izao, ry miaramila soa,Antsoin’ny Tomponao hiady hianao
Ny fahavalo ao kanefa mandrosoa,
:,: Mahery re no momba anao :,:(in-2)
Na inona hanjo, mbola ao ny famonjena;
Hahery hianao! Izay no antenao;
Ampiozinao tokoa izao ny fandresena,
:,: Mahery ilay arahinao :,:(in-2)
O! Mahereza izao, ry miaramila soa!
Ny hatrotrahanao iareto sy zakao,
Jesosy no jereo, ka matokia tokoa,
:,: Fa Izy re no herinao :,:(in-2)
Hira ao amin'ny fihiraha FFPM (287)
izy io raha tsy diso aho ary misy versets hafa fa ireo ihany no ao anatin'ny hira
Nataon-dRajaonesa
Mozikan-dRasoanaivo
Kapila Odeon – 239.083
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RasoanaivoVangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 07/06/2026 14:51
