Tanalahy (Mahaleo)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 2005
Nampidirin'i : Solofo
Tamin'ny : 13/11/2003 14:46:39
ID : 2100

Imprimer Facebook Facebook
Izay mena valala
Izay tiana malala
Nefa ianao raha te-hiala
Dia aza misalasala
     Hatrizay ianao
     No tompon’ny safidy
     Izay tianao no natao
     Dia anao ny didy

Nefa tanalahy ny foko, hahay hiova loko (in-2)

Raha ny tany malemy
Azo anorenam-pangady
Feno eny rehetra eny
F’izaho no tsy te-hitady
     Nefa raha tianao izany
     Dia sahiko ny milaza
     F’izao dia izao ihany aho
     Dia hahita sahaza

Satria tanalahy ny foko, hahay miova loko (in-2)

Tsy ny masoandro matory
No hahafoana ny taratra
Ny volana koa anie boribory
Mirehitra fatratra
     Efa sitrakao ny handeha
     Soava dia, mahereza
     Ny tia ahy be dia be
     Be ny mpitady seza

Satria tanalahy ny foko, hahay hiova loko (in-2)

Nefa aza manantena
F’izaho no hitomany
Na hiantso hoe:"miverena"
Nofinofy izany
     Fa fanajana anao
     No nampipetraka ahy
     Ianao indray no te-handao
     OAY, soa ihany lahy

Tretreka, tretrika ny foko, hahay hiova loko (in-2)

Mahaleo