Matokia (NY AFAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha misy ny manjo, aza mamoy fo
Fa atrakao ny loha jereo ny Ray Tsitoha
Fa ny zanany sy ny asan-tanany dia adidiny
Ny anjaranao dia ny matoky Azy

Refrain :
Ento eo Aminy ho vahany izay mangeja anao
Fa Izy anie no Tompon'izao rehetra izao
Tsy misy tsy hainy atao jereo fa ho hitanao
Ny voninahiny raha mino ianao

Efa manana zay lalana hitondrana anao Jesoa, dia lalam-piadanana
Matokia, matokia fa Izy tsy mandao

2- Izao tontolo izao, tsy azo hianteherana
Fa hazo boboka tsy fiankinana
Fa ny azo antoka sy hany fialofana
Dia lay Jesoa zay Tompo tokana

Refrain :...

A/C : RAZANABAHOAKA Henitsoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY AFAH
Vangy : 7
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : NYAFAH501
Daty : 05/06/2026 18:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0298