Ny fahalemeko (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fahalemeko, fahalemen-dehilahy
Resy aho ekeko, resin’ny fakam-panahy
Nararaotiko hatrany, ny fahatsoranao
Ka iyurn namangiako tany, sy havoana vaovao

Anefa fahafaham-po, tsy naharitra akory,
Fa hadalan’olon-droa, fanalana sorisory
Ny hatanorako, no tsy tiako fefena
Ka nanimbazimbako ny fifanekena

Raha manoloana anao androany
Ka mivaky toy izao
Dia nohon’ny foko manontany, ny antony
Nandaozako anao
Ka tsy ntcav navelany ahy, raha tsy niarina
Mba hamonjy anao, ahitako ny marina

Ny fahalemeko, fahalemen-dehilahy
Resy aho ekeko, resin’ny fakam-panahy
Io no tononkira.serasera.org fahavalo, tsy maintsy no hatrehako
Anefa wqmkk areti-mandalo, ka tsy hanenenako

(Dadah)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0166