NY HIRANAY (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
zdocur Ny hiranay ’zay kaloina
Manasitrana mtiejp fo voadona
Mampahery mampitraka ireo lazoin’ny manjo
Tsy afa-bela amin’ny famoizam-po

Ny hiranay manome hafaliana
Ny hiranay misy hitsikiana
Na mahantra na mijaly vao maheno dia faly
Hoe: izay indray, yejbze ilay hiranay

Ref: Ny fiarahanay tety
Tsy voafetran’ny taona nifanesy
Na ny angolanao manako, na ny tendrinao milantolanto
Na ny feonao mamaky iny lanitr’iny
Dia lainga izay hifanadino

Tsy mba nisy izay ahy sy azy
Fa iray vatsy iray aina
Fa dia mpirahalahy tokoa, na dia tsy iray tampo
Ka tena nifankahazo am-po

’Reo namanay ’zay efa lasana
Maika dia niampita lakana
Dia nangina tononkira.serasera.org tsy niteny ireto sisa tavela
Ny ho avy indray no ndeha jerena

Ref

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 16686
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ff
Daty : 26/04/2006 13:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125