Hevitra momba an'i Ifanihy

Hiverina amin'ny Ifanihy Hampiditra hevitra
ratinalijaona ( 23/10/2020 10:30)
Tiako tsotra izao ny hiran'i Ifanihy
mankasitraka tompoko
rajy ( 14/09/2009 13:34)
Tena irianay koa ny hamerenana an-kapila ny album vol 1 sy ireo hira taloha rehetra.
papa ( 14/10/2005 15:41)
mba asio tonon'ilay Eny Rahavako e
zakony ( 12/09/2005 13:05)
Ilay CD "Madagascar, Chansons des haux plateaux - High plateux songs" dia tena tsara tokoa, mahavery fanahy. Ny mampalahelo fotsiny (tsy manome tsiny na iza na iza ny tenako amin'ity) dia ilay CD tsy mba misy mivarotra akory eto an-toerana fa tsimaintsy manafatra avy any ivelany raha mba te hanana. $22 ao amin'ny www.cdconnection.com.
misy hira 18 ao anatiny ary tsy hanenenana ny mividy azy...
zakony ( 17/11/2003 12:49)
hatramin'izay naha ifanihy azy ary dia nihira hira toa natao mahatsikaiky izy , rehefa tena dinihina anefa dia miaro anatra izy ireny. Navahany manokana ny fisaorana ireo "akama saridegany" rehetra ao am vol.2, manamarika ny aingamapanahy entin-dRanamana mamorona hira.
Namoaka ny vol 3 izao ary Ifanihy, misy ny hira miverina ary misy kosa vaovao. Efa nandrandrain'ny mpankafy moa ny hira "foitran'ny vadin'Ingahy polisy" nadika avy amin'ny hiran'i George Brassens "le nombril de la femme de la police" saingy tsy nivoaka indray. tsy fantatra mazava ny antony, toy izany koa ny pikakely.
( 06/02/2003 13:21)
RANDRIAMANANTSOA Harison Roland no tena anarany ao amin'ny karapanondro, telo aloha izao ny zanany : roa lahy no voalohany ary vavy kely iray. Tany amin'ny taona 80 tany ho any no nisy ny tarika FANIHY. Naka ny gadon-kira avy any amerika latina izy ireo tamin'izany (Ilemena, etsy ho tantanako indry, Lakam-pitia, Sodina volotara ...) ka nanjaka betsaka tamin'ny mozikany ny sodina. Nandalo fotoana sarotra ny tarika tato aoriana ka betsaka no tsy afaka nanao mozika intsony noho ny antony maro ka nahatonga an'i Roland irery naka ny anarana IFANIHY.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4295