Hisy raharaha (iray bodofotsy) (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azalahy, hody aho ho'a,
Fa raha vao mitaraikiraiky eto ho'a zao dia,
Ho velon'ahiahy.
Ilay olon'tiako, fanambadiako,
Tsy foiko ho rangitra be mantsy izay izay fa,
Hany fifaliako.

Odiako mamo, zakan'ny rano, vao tsy mamoha trano
Odiako gàna, mihanahana, raha mitady ho vavàna.
Odiako zefa, mirefarefa, tsy arany anefa,
Fa tiako rafotsy ô, ilay miray bodofotsy.

Oa zalahy, hody aho ho'a,
Raha vao mitaraikiraiky eto ho'a zao dia,
Hisy raharaha.
Tsy omeny sakafo, tsy isainy safosafo.
Raha vao mifanatri-tava amiko izy izao dia,
Dia hiakatr'afo.

Odiako gisa, tsy mahay manisa ny ankety sy ny sisa,
Odiako miesona, sy fesompesona ny moral sy lesona.
E, odiako tony, tsy tia lonilony raha mivonto ny fony.
Fa tiako rafotsy ô, ilay miray bodofotsy.

Oa zalahy, hody aho ho'a,
Raha vao mitaraikiraiky eto ho'a zao dia,
Hangaringarika ahy,
Ilay sasa-niandry, ilay tsy tafandry mandry.
Raha vao mamonjy fandriana izy izao dia,
Hitsivalam-pandry.

Odiako jokona, sahala amin'ny sokina, matory mivonkona.
Odiako nandra, nefa ny tanako mijangajanga ao anaty lamba.
E, odiako foka, sady jomoka, raha mitady ho sodoka.
Fa tiako rafotsy ô, ilay miray bodofotsy.

Oa zalahy, hody aho ho'a (x3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 23
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrezega
Daty : 13/01/2026 19:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0881