Eny rahavako (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Aiza izany! Salama frère a!, an an an!!
Aoka ho tokana ihany ny vera e!, e e e!!
Tsy hoe mihafahafa amin'Ingahy velively
Fa efa elaela aho izao no tsy namely!

2- Tsofiko rano raha toa ka hitira e!, e e e!!
Aleo aho hankato amin'ny masirasira!, an an an!!
Angamba tsy bedy ary angamba tsy voasazy
Raha toa maka jinjany kely amin'ny kopazy.

Ref:
Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako a!,
Eny rahavako ô!
Izao kôzy dia rôzy, tsy dôzy fa bôzy.

Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako a!,
Eny rahavako ô!
Tsy dôzy fa bôzy.

3- Aleo ho reveko amin'ny ranom-boankazo ô!, ô ô ô!!
Aleo aho somary mba hivarilavo a!, an an an!!
Aza sahirana mandany devizy
Fa kaly tsotsotra amin'izao dia efa izy.

4- Ity no "trace" mba tsisy mpahita e!, e e e!!
Tsisy Mimi ary koa tsisy dinta!, an an an!!
Saromy tsara fa tsy matiko lolo
Ny lavak'orin'ireo mpanimbolo.

Ref:
Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako a!,
Eny rahavako ô!
Izao kôzy dia rôzy, tsy dôzy fa bôzy.

Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako a!,
Eny rahavako ô!
Tsy dôzy fa bôzy.

5- Milamina sa tsy milamina tsara e?, e e e!!
Sao dia mba tsara angalana gitara, an an an!!
Ivetsovetsoko ilay hoe "Zokilahy a"
Manainga ny saina, ny fo sy ny fanahy.

6- Kanjo fa laingako fotsiny izany e!, e e e!!
Tsy aleo ve ry tary miresaka ihany a?, an an an!
Ka mba manahoana sy manahoana avy,
Ireo "Business" sy ireo vehivavy?

Ref:
Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako a!,
Eny rahavako ô!
Izao kôzy dia rôzy, tsy dôzy fa bôzy.

Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako a!,
Eny rahavako ô!
Tsy dôzy fa bôzy.

7- Manja ny revy raha sahala amin'itony, i i ih!!
Fa ialako tsiny f'izaho tsy any intsony a!, an an an!!
Ny ahy izao ny reviko rano any amin'ny paompy
Dia miara-misotro divay amin'i Jesôsy.

8- Ny masoandro mody madiva hisoka e!, e e e!!
Aleo aho handeha fa ametrahako bota, an an an!!
Dia asivo kely ny tanako lery ah!,
Mba tsy hanadinoko ny fofon'ilay py.

Ref:
Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako ô!,
Eny rahavako ô!
Izao kôzy dia rôzy, tsy dôzy fa bôzy.

Mazotoa ho'aho ry namako ô!,
Tongava nofo ry akamako a!,
Eny rahavako ô!
Tsy dôzy fa bôzy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 555
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 29/03/2022 04:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749