Lémuria (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako volagniny ny râha marigny.
Zahô tsy mivaza ny râha marigny:
Gasikara no Lemuria.
Lemuria zeny fony fahagola,
Fahagola niainan’ny razantsika.

Môramôra volagnako izy.
Ho’zaho ê!...
Môramôra volagnako izy ...

Vaky ny tany taty afara.
Navy vahiny baka lafrika.
Navy n’ôlo jôby baka lafrika.
Navy n’arabo baka lafrika.
Samby nitôndra ny fômban-drazany.

Môramôra volagnako izy.
Ho’zaho ê!...
Môramôra volagnako izy...

Niântety ranomasina ny tantsinana.
Navy tami’zeny ny karaoaka.
Navy tam'izegny zareo karana.
Navy tami’zeny zareo sinoa.
Samby nitôndra ny fômban-drazany.

Môramôra volagnako izy.
Ho’zaho ê!...
Môramôra volagnako izy...

Navy tafara zareo vazaha.
Nitôndra ny bokin’ny fandrosoana,
Nitôndra ny basin’ny hagaigêna.
Gaga ny gasy tsy levôn-dreo
Andesintsika ankeza ny fomban-drazana?

Môramôra volagnako izy.
Ho’zaho ê!...
Môramôra volagnako izy!...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 5357
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fiffi
Daty : 13/09/2007 06:57
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152