Mpandalo (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsiky kely iray namelana tsindraindray
Tara-masoandro saro-kenatra
Tara-masoandro sendra faly hery ka nandalo
Sady miafina no mitselika
Topy maso angalangalarina
Kanefa mikombona eritreritra
Eritreritra miaritra ny hivady
Fa hoe tena finaritra.
(1)Ref: Mpandalo
Nandalo sy niserana, mpandalo hafahafa
Nandalo sy niserana, nandalo tsy nilaza
Tsy nilaza izay voakasa, nandalo tsy anki-tafa
Ts’ankivolaña hafahafa.

(2)Ref: Nandalo [ mpandalo 2X ]
Mpandalo hafahafa [ mpandalo 2x ]
Nandalo [ mpandalo 2X ]
Mpandalo hafahafa [ mpandalo 2X ]
Nandalo [ mpandalo 2X ]
NItsiky tsy anki-tafa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 2995
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fan!
Daty : 17/05/2004 12:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733