Salanitra ny ambanilanitra (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tontolo mavana, mamony, mamoa.
Rako-pelana avokoa, manimanitra, soa.
Mahafinaritra, ambanilanitra salanitra.
Manga ny avana, botsiaka ny rahona.

Mirana ny andro, tony ny alina.
Mahafinaritra, ambanilanitra salanitra.
Vahandanitra mandokoloko abakabaka
Maeva sôra jiabijiaby, tsy ankanavakavaka

Bezoro ! Man’ahoana, salama tompoko ô
Fo madio ro talilio, mbola tsara, havako ô.
Ajà tamanimane, bey vata ndraike andro agny ê.
Hisy jery mandilatra zaho, hatsilo hatrany hatrany

Mahafinaritra, ambanilanitra salanitra…
Eny hahafinaritra, salanitra ny ambanilanitra.


Dika malalaky ny “What a wonderful world” an'i Louis Armstrong. « Salanitra ny ambanilanitra »,
Tonony : Vahömbey. Antsirabe, 03 martsa 2015 ho fahatsiarovana an'i José Rivo RABEARISON (03 mars 1961- Février 1972)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 1479
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/05/2015 09:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735