Fiainana mandrakizay (Tianasoa Razafindrabary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa toy izao
No nitiavan'Andriamanitra
Izao tontolo izao
Nomeny ny tokany
Ka tsy ho very izay mino azy
Fa maty izy mba hamonjy antsika
Dia nitsangana mba hananana fiainana
Ka raiso ho Tompo
Sy ho Mpamonjy anao
Dia ho voavela ireo helokao

Fa fiainana mandrakizay
No omeny izay mino azy
Ka faly aho fa anisan'izany
Satria nino tamin'ny fo
Nanaiky tamin'ny molotro koa
Fa zanany aho

Nodioviny aho ho afaka heloka
Ka tsy izaho intsony no velona
Fa Izy no ato anatiko
Ary fanahy vaovao no efa nomeny ahy

Fa fiainana mandrakizay
No omeny izay mino azy
Ka faly aho fa anisan'izany
Satria nino tamin'ny fo
Nanaiky tamin'ny molotro koa
Fa zanany aho

Hitsaoka aho
Hidera aho
Satria navotany
Hanandratra mandrakizay ny anarany
Avo indtrindra Ianao
Masina Ianao

Fa fiainana mandrakizay
No omeny izay mino azy
Ka faly aho fa anisan'izany
Satria nino tamin'ny fo
Nanaiky tamin'ny molotro koa
Fa zanany aho

Ka faly aho fa anisan'izany
Satria nino tamin'ny fo
Nanaiky tamin'ny molotro koa
Fa zanany aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tianasoa Razafindrabary
Vangy : 742
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/01/2022 00:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112