Hampiadam-po ny olony (Tianasoa Razafindrabary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kanto loatra ny Andriamanitro
Nampisokatra ny masoko
Fitahiana foana no natolony
Ampiadam-po ny olony

Masoandro baliaka manazava ny tontolo
Sy ny voahary rehetra manotolo
Volana aman-kintana mamirapiratra
'Reo rehetra ireo natolony
Ampiadam-po ny olony

Be indrafo ny Andriamanitro
'Lay nanafaka ny tahotro
Fahasoavan-tsy ritra no natolony
Ampiadam-po ny olony

Zanany 'lay tokany nirahiny ho ety
'Lay nohomboina tao calvary
Niharitra ny mafy mba hisolo ny heloko
Ny ainy mihintsy no natolony
Ampiadam-po ny olony

Tiako, tena tiako
Tsy foiko ny Andriamanitro
Tiako, tena tiako
Kanto loatra ny Andriamanitro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tianasoa Razafindrabary
Vangy : 529
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/01/2022 00:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116