Mba lazao (Tianasoa Razafindrabary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MBA LAZAO

O !.. angamba fantatrao, sa vahiny koa ianao
Mbola eto ve ‘ngahy Rajao, sa ve olon-ka fa no ao ?
Hono ho aho e ! .....mba lazao, ...mba valio raha sitrakao
Itsy trano vaovao,.... tsy ry Manda ve no ao ?
.........................
Moa..... ve ....tadidinao, i Rabeva sy Lalao
Henoko fa hoe tera-bao, ....ny misy azy ve hainao ?
Hono ho aho e! ....Mba valio, raha toa diso ahitsio
‘Ngahy Randretsa maty moa ? ilay piresidà taloha

Efa ela mantsy izay,. no tsy nankaty ‘zahay
Ka toa niova avokoa, ‘reo reperanay taloha
Efa ela tokoa ‘zay, tsy nandeha taty ‘zahay
Ka toa tsy hita avokoa, ny olom-pantatray taloha


“Fa nankaiza daholo ho aho, ireo trano teto e?
Dia lasa aiza koa, ‘lay hazo fialofanay teo?
‘Zay rehetra jerena, toa zary magazay
Dia lasa aiza koa, ireo namana hatrizay e ?
‘Zay niara-nihosom-bovoka, nilalao taminay ?
Voatery nifindra.... daholo ve ? sao dia ananao re,...... ilay adiresy e ? “
O mba lazao o ! o! o ............. raha fantatrao

O ! mba lazao moa,.... raha mba fantatrao e!

O mba lazao o ! o! o! .............. raha sitrakao

Aza afenina ahy moa,... raha toa ka fantatrao e!


Chorus et voix lead : Niova avokoa, ‘zay tety taloha
‘Lay tsena teto, dia nafindra koa....................O mba lazao
‘Reo namanao ‚ndray, efa ela izay
Nandao ny tety, nifindra ho ery ......................O mba lazao



Paroles et mélodie : Tianasoa ( Août 2003)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tianasoa Razafindrabary
Vangy : 2957
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 27/07/2004 15:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2491