Voadiko (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy Malala Tsitoha
Izy Ilay niady noho ny heloko
Tsy hamela ho very ity zanaka mpanota
Fitiavan-dehibe tokoa
'Zay efa nambara hatrizay
Sy notoriana fa Zanaky ny Ray
Nitondra ny Hazo Fijaliana mafy indrindra
Nangidy loatra tamin'izay

Fiverenana :
Fa Jesosy Tompo, ny mafy nentinao re!
Tsy hadinoko fa vonon-kanompo
Hanao ny sitrakao f'izay no VOADIKO

Mavesatra ny alahelo
Kanefa tsy amin'ny fihetseham-po
Na ami-molotra no hanehoako izany
Na amin'ny tomany
Fa ny Fanekena Anao
Inty aho Tompo Oh! Inty mba hanjakao
'Lay fototry ny fahorianao fahiny
Maniry hiverina Aminao

Fiverenana : Fa Jesosy Tompo, ny mafy nentinao re! ...

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 217
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 21:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754