Omeo Azy ny fonao (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha fantatrao dia mba lazao anay hoe inona ary moa ny andro anio
NOELY, NOELY
Tsy reko tsara fa miangavy anao aho avereno azafady anie
NOELY, NOELY
Voalazanao tokoa fa Noely mamy ny andro anio
Mamiratra tsy misy toy izany tokoa satria terak' Ilay Kristy i i i
Ka n' iza n' iza mahay miteny sy milaza fa arý dia misy hafa mamonjy toy Ity i i i
Sanatria ts misy afa tsy Kristy i i i

Jesosy Kristy io Ilay Mpiantoka ny ho avy izay mamiratra
Ilay iraky ny Ray hitondra soa sy mamy hamafa ny tomany
Jesosy Kristy Ilay fanomezan-dehibe ho antsika izao
Natolotry ny Ray ho fiainam-baovao ho ahy sy ho anao

Raha fantatrao dia mba midika inona ary moa izany hoe
NOELY, NOELY
Tsy fahaterahana ihany anie no hevitra fonosin' ny hoe
NOELY, NOELY
Na dia hateraka ho mpanjaka aza Ilay Zaza tamin'io
Dia feno fanetretena tokoa satria
satria tao an-tranonomby i i i
Zay tsy mba nandry tam-pandriana tsara voatra koa satria
Tao amin'ny efitra fihinanam-bilona nefa dia finaritra erý i i i

Jesosy Kristy Mpanasitrana Avo indrindra tsy mba misy toy izany
na vay na fery anaty na koa ratram-po dia sitrany avoko
Jesosy Kristy Mpamaha olana ary koa Mpanalalana
ka inona ary moa no mbola andrasanao omeo Azy ny fonao

An-tsitrampo tsy terena na vozonana no hanarahako sy hanompoko Azy
ka na sarotra na mora izany lalako sedraiko fa ny amiko efa Azy

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 256
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 22:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765