Apetrakay an-tànanao (Tanora Masina Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifona aho ry Ray, mifona tokoaMandohalika eo Anatrehanao
Hohadinoiko ireo tsy sitrakao ireo (Hohadinoiko ireo tsy sitrakao ireo)
Ny anilanao izao no andrandraiko (Ny anilanao izao no andrandraiko)
Inty ny tànako sy ny vavako
Natokako mba hanompoana Anao
Ilay Fanahinao hiasa anatiko ao
Mba hampiseho ny Voninahitrao
Isaorako Anao Jehovah Ray Tsitoha (Jehovah Ray Tsitoha)
Noho ny halehiben' ny famindram-ponao
Fiverenana :
Ny fiainanay dia apetrakay an-tànanao
Ny andronay sisa atokanay ho Anao
Manaiky Anao (aho) fa Masina ny Anaranao
Ho Anao ny dera, haja sy ny voninahitra mandrakizay
Amen
Mbola hafa Ianao Andriamanitra Oh!
Tsy misy ny mihoatra noho Ianao
Tsy hanan-tahotra aho fa manana Anao
Mazava izao ny làlana hombako
Navotanao tanaty aizina aho ry Tsitoha (Navotanao ry Tsitoha)
Ankehitriny Tonga zanakao
Fiverenana : Ny fiainanay dia apetrakay an-tànanao ... (×2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tanora Masina ItaosyVangy : 367
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 16:39