tsy hamela anao irery (sami FJKM ITAOSY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny Tompo no efa niteny hoe :Mankanesa aty amiko ianareo
Izay miasa fatratra ary koa mavesatr’entana
Dia manantona an’i Jesoa
Fa Izy tokoa anie no hanome
Anao ‘reo fitsaharana .
Dia ho maivana ny zioganao
2-Ny Tompo no efa niteny hoe :
Mankanesa aty amiko ianareo
Izay manana olana na ‘reo zava-manahirana
Dia manantona an’i Jesoa
Fa Izy tokoa anie no hanome
Anao ‘reo vaha-olana .
Dia voavaha tokoa ‘reo olana
REF:Ny Tompo tsy hamela anao irery,
Ny Tompo tsy hamela hiady irery
Fa ny Tompo dia hombanao hatrany
Raha mahatoky Azy ianareo
A . Hery Razanakoto
( Mars 2002)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSYVangy : 173
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 04/03/2025 07:27
