ho hitanao tokoa (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF 1:
Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo
Dia hevitra hahatonga fiadanana
Fiadanana,fiadanana tokoa fa tsy loza
Mba hanomezako anareo
lay fanantenana ny amin’ny farany

1-Izay rehetra miseho amin’ny fiainanao
Dia fantaro fa entiko mba hanefena anao
Mahaiza koa miaritra izay miseho ety
Dia ho hitanao tokoa ‘lay fitiavan’i  Jesoa

2-Izay rehetra adinao iainanao ety
Dia fantaro fa hanatsara  koa zany dia
Mahaiza koa hizatra nyadinao ety
Dia ho hitanao tokoa ‘lay fitiavan’i  Jesoa
Dia manàna foana ianao fanantenana vao

REF 2:Iaino ampifaliana tokoa reo adinao
Dia manàna foana ianao ,fanantenana vao
Tsarovy  fa ‘lay Jesoa hiady ho anao
                                (Jer 29 : 11)

                                  A . Hery Razanakoto  
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : sami FJKM ITAOSY
Visites : 43
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 03/03/2025 08:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0351