fa toy izao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zaho mino Anao Jesoa,
Mino aho fa Ianao no Tompo sy Mpamonjy ahy
Nirahin’ny Ray mba ho ety,hamonjy ireo zay nania
Mba hahazo ‘lay fiainana vaovao
Fitiavana lehibe tokoa
Ny nanomezan’ny Ray an’i Jesoa zanany
Nanolotr’aina mba ho sorona hanavotra ahy sy ianao
Hahazo ‘lay  fiainana mandrakizay
Fa toy izao no nitiavany,nitiavan’andriamanitra
Izao tontolo rehetra izao
Dia nomeny ny zanany lahy tokana
Mba tsy ho very tokoa izay rehetra mino Azy
Fa hahazo ilay fiainana mandrakizay
‘zay nomaniny ho anao
                    A . Hery Razanakoto  (18 Fev 2021)                    
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 200
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 03/03/2025 08:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.07