Midera Anao (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lay Mpanjakan’ny Mpanjaka No antsoiko izao
Ilay Avo indrindra ao an-danitra ao
’Lay efa naharesy izao tontolo izao
No ametrahako indray izao vavako izao

Fantatrao izay tena miafina tokoa
’Zay rehetra ao am-po, izay mandreraka ny loha
Izay miseho amin’ny fiainako
Sy izay nokosehiko tsy tadidiko

Ialako ny hadalako sy izay mety fahotako
Mitalaho Ray ô!! mba fafao
Tsy mendrika hiantso ny anaranao akory aho
Fa lehibe ny fitiavanao

Iriko sady tiako f’efa natolotrao ahy
Isaorako ianao Ray
Fa hery lehibe ho ahy ny fahalalako
Fa voavelanao ny heloko

Midera anao, Andriamanitro ô!
Midera anao, Midera anao!
Midera anao, Miiiiiiiiiiidera anao!
Fa lehibe ny fitiavanao.

Izany akon’ny adalako izay mety ho fahotako
Mitalho Ray ô!!! Mba fafao
Tsy mendrika hiantso ny anaranao akory aho
Nefa lehibe ny fitiavanao

Ny faniriako, izay mba tiako efa natolotrao ho ahy
Isaorako anao Ray
Fa hery lehibe ho ahy ny fahalalako
Fa voavelanao ny heloko
Fa voavelanao ny heloko

Midera anao Andriamanitro ô
Midera anao, Midera anao!
Midera anao, Miiiiiidera anao
Fa lehibe ny fitiavanao. (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 6874
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 10/08/2007 10:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0745